Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Taratasim-bola 5 milliara ariary no nozaraina ho an’ireo tanora mpandraharaha. Araka izany, miisa 133 izy ireo no nomen’ny Filoham-pirenena tsaratasim-bola tsirairay avy, mitetina 38 570 000 ariary. Vola hoentina mamita ny tetikasa, eo amin’ny tanim-panjakana nomena ireo tanora mpandraharaha vaovao ireo.  Notanterahana nandritra izany ihany koa ny fanomezana fitaovana hoenti-mamita ny tetikasa. Indrindra ny fametrahana ny tsangam-bato, mariky ny fanombohana, hanorenana ny trano fonenana sy tranom-biby.

Nahazo tany 1 hekitara avy ireo tanora mpandraharaha mikasika ny fambolena sy ny fiompiana ireo. Izay tanim-panjakana efa nohajariana ahafahana mivelona ary mamokatra. Ny 62 hekitara ao Andranomanelatra Anosimboahangy, ny 40 hekitara ao Antsoatany, ny 31 hekitara ao Andranomanelatra Soamiadala, ary ao Andranomanelatra Ambatolahinirina ny 10 hekitara.

Sehatr’asa miompana amin’ny fiompiana, sy famokarana vilona Juncao, ary fambolena no hotanterahan’ireo tanora mpandraharaha ireo eo amin’ny tany nomena azy. Nanambara nandritra ny lanonana ihany koa ny Filoham-pirenena fa ankoatra ny tany sy ny vola dia hisitraka foto-drafitr’asa hafa ireo tanora ireo. Toy ny famatsian-drano, ny trano fonenana mendrika ary ny fampiofanana ara-tekinika sy ara-pitanana, mba hahatomombana ny tanjona kasaina.

Anisan’ny tanjona kendrena amin’ny tetikasa titre verte ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanomezana asa mendrika ho an’ny rehetra, izay tafiditra ao anatin’ny velirano nataon’ny Filoham-pirenena. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny toekarena manerana ny faritra. Ary hanampiana ireo tanora manana faniriana ho mpandraharaha matihanina eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Hampandroso an’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny asa famokarana.

Efa nanomboka tsikelikely ny asa ireo tanora voafantina ireo. Ary efa avy nanaraka fiofanana manokana momba ny fiompiana sy ny fambolena ary ny famokarana. Nampiofanina mikasika ny fitantanana ihany koa izy ireo, ahafahany manatanteraka ny asa fandraharahana hataony.

Ny Antso

TANORA AO ANATY FIKAMBANANA: Maro ny tombony azon’izy ireo

CHANGEMENT CLIMATIQUE: Madagascar est considéré en étant vulnérable sur ce phénomène mondial.