Contact Information

SAMIS-ESIC, St Michel Amparibe
Lot ID 73 Amparibe
Antananarivo - Madagascar

Contactez nous sur

Nanapa-kevitra ny hampiasa tekinolojia vaovao ny orinasa JIRAMA hanamorana ny fanjifan’ny Malagasy. Azo atao amin’ny alalan’ireo fitaovana vaovao ireo avokoa ny serasera rehetra fanao eny amin’ny foibe.

Nanomboka nampiasa ny masoivoho an-drohy na an-tranokala sy ny hairafitra amin’ny finday (application mobile) ny orinasa JIRAMA,ny talata 27 aprily 2021 lasa teo. Natao izany mba hialana aminy filaharam-be eny amin’ny foibe Jirama. Azo ampiasain’ny mpanjifa ny tolotra omen’ny orinasa manerana ny Madagasikara ireo fitaovana vaovao ireo.

Ampiasaina amin’ny alalan’ny finday sy solosaina ary tabilety ny masoivoho an-tranokala sy ny hairafitra amin’ny finday. Ka ahafahana mandoa fakitiora, manao fitarainana momba ny fahatapahan-jiro sy/na rano ary manao fangatahana fametrahana fampitohy ireo tekinolojia vaovao ampiasaina ireo. Azo atao ao ihany koa anefa ny manaraka ny kaonty, mividy fahana sy mizara vaovao.

Misy dingana dimy (5) arahana rehefa hanokatra ny kaonty mpanjifa.

Voalohany, miditra ao amin’ny rohy www.jirama.mg, raha amin’ny solosaina no manokatra ny kaonty. Raha amin’ny finday na tabilety kosa dia tonga de azo atao ny miditra ao amin’ny « playstore » ka alaina avy hatrany ny hairafitra. Faharoa manaraka izany, manokatra ny adiresy ka ampidirina amin’izany ny adiresy mailaka na laharana finday sy ny teny miafina. Fahatelo, mampiditra ny fomba fanjifana. Izany hoe, ny karazana kaontera ampiasaina, ny laharan’ny fakitiora ary ny mariky ny fanjifàna. Fahefatra, mampiditra ny mombamomba ny mpanjifa : anarana feno, adiresy, adiresy mailaka, laharana finday ary ny laharan’ny karapanondro. Fahadimy farany, manamafy ny famoronana kaonty. Ka maharay mailaka manamarina ny fananana kaonty mpanjifa ary manavao ny teny miafina efa napetraka teo aloha. Rehefa vita izany rehetra izany dia azon’ny mpanjifa  ampiasaina avy hatrany ny kaontiny.

Na misy aza anefa ireo fitaovana vaovao ampiasain’ny orinasa Jirama ireo, dia misokatra ho an’ny mpnjifa hatrany ny masoivoho manerana an’i Madagasikara.

Rova Christelle.

COVID-19 : Augmentation des nombres de cas

Hémorroïdes : Nombreux sont atteints de la maladie hemoroïdaire